4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hay ve - Frères Arthur

Hay ve ny fitia

Mety miova manam-petra koa

Tsy nosainiko

Ka nataoko sy najaiko hatrizay

Rehefa sitrakao ny handao

Mandehana mahita re ny soa

Raha toa anao sanatria tsy very anjara ety



Hatry ny elabe

No efa nolazaiko taminao

Fa io fitiavana io

Mandramaty anie fa tsy mba lalao

Rehefa sitrakao ny handao

Tsofin-drano mahita re ny soa

Fa santria izaho tsy hitomany anao



Sao heverinao

Fa tsy tsapako hatry ny ela fa

Ny fitiavanao

mbola tia kanefa te-hilalao

Koa izay sitrakao hatao

Fa ny aty tsy mitaraina tsy mitalaho

Masina re fa mora ny hanadino anao



Hay ve rehefa tia

De noheverinao fa resy koa

Ka sahinao natao

Ny nanitsika ireo dina soa hatrizay

Efa sitrakao ny handao

Soavadia tsy homena tsiny raha tsy tamana

Fa izao koa anie efa leo raha izay fitiavanao

Partager hay ve

Commenter hay ve

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Frères Arthur